FANKALAZANA NY IRAY VOLAN’NY ANKIZY
09.06.2022
FANKALAZANA NY IRAY VOLAN’NY ANKIZY
Mandritra izao fankalazana ny Iray Volan’ny Ankizy izao, ny Minisiteran’ny Mponina dia nikarakara hetsika fitantarana angano ho an’ny ankizy. Natao izany enti-manabe ny ankizy amin’ny alalan’ny angano eo amin’ny fahendrena Malagasy ho fitaovam-pitaizana sy fanabeazana taratry ny zava-misy eo amin’ny fiainana.
Hisy ihany koa ny fandefasana izany amin’ny RNM ny alahady 12 jiona amin’ny 11ora45 mandritry ny fandaharana « bemiray » sy ny TVM ny alarobia 15 jiona amin’ny 04ora30 ao anatin’ny fandaharana « Tsaiky misôma ». Mifantoka amin’ny ady hatao manoloana ny fampiasana ankizy ny lohahevitra.