FANOFANANA ARAK’ASA HO AMIN’NY SEHATRY NY FIHARIANA
Vehivavy nahavita fiofanana mahakasika ny zaitra tao amin’ny ivo-toeram-piofanana sy fanofanana arak’asa tao Tsimbazaza no nampidirina ho amin’ny sehatry ny fihariana.
Manamboatra arovava orona ao amin’ny ivo-toerana sosialy ao Manjakaray izy ireo ka 3000 mahery isanandro no vokariny amin’izany. Tonga nitsidika ity ivo-toerana ity ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica sy ireo mpiara-miasa aminy izay notronin’ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina sy ireo manam-pahefana tao an-toerana.