FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TETIK’ASA MIAVOTEGNA
05/07/23 ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY AFRIKANINA
FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TETIK’ASA MIAVOTEGNA
✓Tontosa anio ny fampihofanana ny fikambanana MADIOFO momba ny ady amin’ny herisetra, niarahana tamin’ny Fitaleavam-paritrin’ny Mponina Fitovinany sy ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny tetik’asa MIAVOTEGNA tanterahan’izy ireo, iarahana amin’ny CARE international Madagascar.
Izay hotontosaina ato anatin’ny 10 Volana handraisana an-tanana ireo vehivavy sy ankizy vavy iharan’ny herisetra.
✓Izany dia teo ambany fitarihan’Atoa Goverinora ny Faritra Fitovinany mivady sy Rtoa Prefe ny Manakara ary notronon’ny Ben’ny Tanana lefitra ny Kaominina ny Manakara.
✓Ny tanjona dia ny hiadiana sy hampihenana ny herisetra mahazo ireo vehivavy sy ankizy vavy ato anivon’ny Faritra.
✓Isaorana mandrakariva Rtoa Minisitrin’ny Mponina SOAFILIRA Princia amin’ny fijerena manokana ireo vehivavy ato anatin’ny Faritra Fitovinany.
✓Ankasitrahana ihany koa ny fikambanana MADIOFO eo fomba fiasa sy ny tantsoroka ataony ho fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Fitaleavam-paritrin’ny Mponina.