Fanokafana ny vovonan-tserasera “50 millions des femmes prennent la parole”
« 50 millions de Femmes Africaines Parlent »
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy eto Madagasikara ny vovonan-tserasera “50 millions des femmes prennent la parole” anio Zoma 9 oktobra 2020 ny Minisitry ny Mponina MICHELLE Bavy Angelica. Sehatra entina hanampiana ny vehivavy ho tonga amin’ny fizakan-tena ara-toekarena sy amin’ny fomba moderna ary mivoatra kokoa ity sehatra ity. Ahafahana mampiranty, mampahafantatra ny haitao, mampivelatra ny tsena, ny fahaiza manao sy ny traikefa amin’ny resaka ara-barotra miaraka amin’ireo vehivavy afrikanina eo anivon’ny faritra COMESA.
« Fitia mifamaly mahatsara fihavanana »