FANOLORANA ARA-POMBA OFISIALY IREO FITAOVANA HO ENTINA HANAMPIANA NY VEHIVAVY AMIN’NY FIZAKAN-TENA ARA-EKONOMIKA NATAON’NY ONG DIRECT AID
Natolotry ny ONG Direct Aid tamin’ny fomba ofisialy androany ny Minisiteran’ny Mponina, sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy, ireo fitaovana ho entina hanampiana ny vehivavy amin’ny fizakan-tena ara-ekonomika. Vehivavy 30 avy amin’ny fikambanana samihafa no hisitraka izany.
Mbola hitohy izany fiaraha-miasa izany sy ny fanampiana ireo vehivavy anaty fasahiranana na niharan’ny herisetra. Hisy noho izany ny fanomezana asa ho an’ny vehivavy eto Antananarivo amin’ny alalan’ny fanamboarana arovava orona izay ho zarain’ny Minisitera ho an’ny Mponina.
L’ONG Direct Aid a présenté officiellement au Ministère de la Population les outils pour aider 30 femmes issues de différentes associations à devenir économiquement autonomes.
Ces femmes seront recrutées pour la confection de masques lavables qui seront distribués gratuitement.