Fanolorana ireo fitaovana avy amin’ny fitondram-panjakana hiadiana amin’ny COVID-19 – Alaotra Mangoro
Namita ny iraka teto amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny Minisitry ny Mponina NAHARIMAMY Lucien Irmah ny Alatsinainy 20 jolay 2020. « Tsy mamela anareo irery aho » hoy Ramatoa Minisitra nandritra ny fandraisany fitenenana tao amin’ny Tranoben’ny Faritra Tangorona.
Nandray azy ireo manam-pahefana teo an-toerana notarihin’ny Governoran’ny Faritra Alaotra Mangoro RAMANDEHAMANANA Richard, Ny Prefet RAHAJAVOLOLONIAINA Niritsoa Sénateur Day RABENONY, ireo Solom-bavambahoaka José Alain Rakotondrazafy, Lova Herizo Rajaobelina, Solofo Hery Rabekijana , ary ireo talem-paritra samy hafa, ireo Lehiben’ny Mpitandron’ny Filaminana, sy ben’ny Tanàna ary ireo olo-manakaja maro.
Nitondra ireo fitaovana avy amin’ny Fitondram-panjakana hiadiana amin’ny COVID-19, toin’ny CVO, Fanafody maro ,ahafahana mifehy izao fihanaky ny otrik’aretina COVID-19 ato amin’ny Faritra Alaotra Mangoro izao Ramatoa Minisitra. Teo koa ireo bodofotsy sy farafara avy amin’ny Fanalamanga. Santatra ambava rano ihany ireo fa mbola hoavy ny fanampiny.