Fanolorana kojakoja ho an’ny ankizy (Fenerive Est)
Nandritra ny fitsidihana niarahana tamin’ny filoham-pirenena teto Fenerive Est no nanoloran-dRamatoa Minisitry ny Mponina Angelica Michelle kojakoja ho an’ny ankizy ( kits enfants ) ireo Zaza kambana miisa 20 sy iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo iray. Koba katsaka, couche, SRO, thermomètre, savony, alcool, multivitamine ary kojakoja maro samihafa no natolotra tamin’izany.