Fanisana ireo Mponina ao anatin’ny fokontany 9 nataon’ny Ministera
Nanomboka ny Zoma 7 aogositra 2020, nitohy anio sabotsy 8 aogositra 2020, ny eto anivon’ny Minisiteran’ny Mponina no nanao ny fanisana ireo Mponina ao anatin’ny fokontany 9 ( Anjanakombory, Ambohimitsinjo, Tsararay, Antanjombe Avaratra, Ambohimandroso, Antanety Avaratra, Antanety Atsimo, Amorona, Ambohimanandray ) eto amin’ny boriboritany faha 6 Antananarivo Renivohitra. Miisa 150 olona ireo mpiara-miasa ao amin’ny Minisitera no mifarimbona mandray an-tsoratra isa-tokatrano, manao fanadihadiana sy manao ny fandrafetana izany anaty solosaina.Izao asa izao dia iarahana amin’ny Governoran’ny Faritra Analamanga, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Boriboritany faha 6, fokontany miaraka amin’ireo vaomiera ao aminy.