FANOMANAMA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY ZOKIOLONA*
16.09.2022
Ho fanomanana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona dia nanolotra masomboly toy ny katsaka, tsaramaso, voanjo, karaoty sy karazan’anana ary fitaovam-pambolena toy ny angady, siny, râteau an’ny Minisiteran’ny Mponina ny fikambanana AFF.
Ireto fanomezana ireto dia hatolotra ho an’ireo Zokiolona any amin’ny Faritra Sofia izay vinaina ho faritra hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona amin’ity taona 2022.
Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia nandray ity fanampiana ity ny Tale Jeneralin’ny Mponina Andry RAKOTONDRAINIBE