FANOMANANA NY FAHATONGAVAN’IREO MPILA RAVINAHITRA AVY ANY ATSIMO
Nikaon-doha ny Minisiteran’ny Mponina sy ny BNGRC ary ny ATT ka tapaka fa hisy toerana manokana andraisana ireo mpila ravinahitra avy any Atsimo izay tonga amin’ny hariva ao amin’ny fitobian’ny fiara any amin’ny fasan’ny karana.
Omena sakafo izy ireo ka ny fitaleavam-mparitry ny Minisiteran’ny Mponina eto Analamanga no mikarakara izany. Misy ihany koa ny tranolay atsangana hatoriany manomboka androany 14 janoary 2021.