TETIKASA HARATON’AINA FITSIDIHANA SY FANADIHADIANA IREO MPISITRAKA TAO AN-TOKATRANO MPISITRAKA
21.02.2023
TETIKASA HARATON’AINA
FITSIDIHANA SY FANADIHADIANA IREO MPISITRAKA TAO AN-TOKATRANO MPISITRAKA
Nitsidika sy nanadihady ireo mpisitraka tao an-tokantranony ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena avy any Washington sy ny Minisiteran’ny Mponina ary ny FID.
Nambaran’ireo mpisitraka fa nanampy betsaka azy ireo ny fisian’ny tetikasa ka nahafahan’izy ireo nihoatra tamin’ny fiainana ary mbola afaka mampiana-janaka ihany koa.
Nandritra izany no nampisehoan’izy ireo ny vokatra novokariny taorian’ny nahazoany ny fiofanana nomena azy.
Ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-tsosialy RIVOMANANA Ghisbert no nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia nandritry ny fidina ifotony.