FANOMANANA NY IRAY VOLAN’NY FIAHIANA SOSIALY – MAY 2022
11.04.2022
FANOMANANA NY IRAY VOLAN’NY FIAHIANA SOSIALY – MAY 2022
Teo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina no nanaovana ny fivoriana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka (Partenaires Technique et Financier) sy ireo mpiatsehatra @ lafiny Fiahiana ara-tsosialy ho fanomanana ny fankalazana ny iray volan’ny Fiahiana Sosialy
Nitarika ny fotoana ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana Ara-tsosialy RIVOMANANA Ghisbert miaraka amin’ireo ekipa eo anivon’ny Minisitera.
Nisongadina nandritra ny fivoriana ny fanaovana jery todika ny asa efa vita sy ny fakan-kevitra mahakasika ireo hetsika ho atao mandritry ny Iray Volan’ny Fiahiana Sosialy izay ho atomboka amin’ny fomba ofisialy ao Mahabo, faritra MENABE