FANOMBOHANA NY KALY TSINJO AO TOAMASINA ANDROANY 1 APRILY 2021
Natomboka androany 1 aprily 2021 ny Kaly Tsinjo ao Toamasina ka Ramatoa Minisitra Michelle Bavy Angelica notronin’ny Governoran’ny faritra Atsinanana sy ny solotenan’ny Ben’ny tanàn’ny Toamasina no niara-nientana tamin’izany.
Olona 2000 isanandro ao anatin’ny Firaisana 5 no misitraka sakafo madio sy ara-pasalamana ao an-tampontananan’i Toamasina.
Ho fanamafisana ny fiarovana amin’ny fianakin’ny aretina Covid19 dia nanentana hatrany ny Minisitra ny amin’ny fanajana an’ireo fepetra isorohana ny aretina sady narahina fizarana CVO+ sy aro vava sy orona.
Ny Kaly Tsinjo dia anisany tetikasan’ny Filoham-pirenena natao itsinjovana ireo olona ao amin’ny faritra misedra mafy ny fisian’ny aretina Covid19.