FANOMBOHANA NY TAOM-PAMBOLEN-KAZO 2023
Izay mamboly hazo mamelona aina. Izayh mamboly hazo mamelona an’i Madagasikara.
Tontosa ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo izay natao tao Tanambao sy Seranandavitra, Ilaka Est ka velaran-tany 100Ha no novolena hazo.
Tonga nitarika ny hetsika ary nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2023 ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny asabotsy 28 janoary 2023. Nanotrona azy ny Praiminisitra NTSAY Christian sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ka anisany tonga ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia izay namita adidy amin’ny maha olom-pirenena.
Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin’ny velirano natao dia ny hoe Madagasikara tsy maintsy rakotr’ala indray.
Nahatsiaro manokana ireo izay niharam-boina nandritra ny fandalovan’iny rivodoza Cheneso ny Filoha ka nankahery azy ireo ny tenany ary nanambara fa hanamafy ny fanampiana efa nataon’ny Governemanta sy ny BNGRC. Notsipihany manokana fa hitodika bebe kokoa ho amin’ny sosialimbahoaka ny hetsiky ny Fitondram-panjakana ary hisy ny drafitra sosialy hapetraka entina hanatanterahana izany.