Haitrano teo amin’ny fokontany Manaritsoa Atsinanana, afovoany ary Anathazo
Nitrangana haitrano teo amin’ny fokontany Manaritsoa Atsinanana, afovoany ary Anathazo ny hariva teo. Fianakaviana 41 na 164 olona eo ho eo no may trano. Nidina teny an-toerana nijery ny loza ny Minisitry ny atitany, ny Minisitry ny Mponina ary ny Minisitry ny polisy. Efa tonga teny an-toerana ihany koa ny mpamonjy voina.