Noraisin-dRamatoa Minisitry ny Mponina NAHARIMAMY Lucien Irmah ny Talata 09 May 2020 ny Solontenan’ ny UNFPA miasa eto Madagasikara, Ramatoa ESPERANCE Fundira. Tamin’izany no nanolorany ny » Kits de dignité » ho fanampiana ireo tovovavy sy vehivavy marefo ara-pivelomana mba hoentin’izy ireo miatrika ny valan’aretina COVID-19.
Fanampiana ahitana ireo fitaovana fidiovana toy ny savony, seau, koveta, lamba famaohana, serviette hygienique, atin’akanjo, borosy nify, lamba firakotra sy fitaovana hoentina miteraka.Hisitraka izany fanampiana izany ireo vehivavy bevohoka, tsy manan-kialofana, voafonja, manana fahasembanana amin’ireo faritra izay voakasiky ny valan’aretina COVID-19.