FANOMEZANA MANOKANA HO AN’IREO ANKIZY TAO TOLIARA
13.03.2023
Nizara fanomezana ho an’ireo ankizy mpianatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana tao amin’ny kianja Maître Kira Andaboly ihany koa ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA mivady nandritry ny fandalovany tao Toliara.
Ny fiaraha-miasa eo amin’ny ONG SAMARITAN’S PURSE amin’ny alalan’ny tetikasa ankizy krismasy no nahafahana nanatanteraka izany.
Anisany tonga nanotrona sy niara-nizara hafaliana tamin’izany ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.