Faritra Alaotra Mangoro| Distrika Ambatondrazaka
21.01.2023
Nidina ifotony nijery ny fizotry ny asa fanadiovana ireo lakandrano eny amin’ireo faritra iva ao amin’ny kaominina renivohitra Ambatondrazaka sy ny manodidina ny Fitaleavam-paritry ny mponina sy ny Fitaleavam-paritry ny Asa vaventy.
Nandritra izany no nanentanana ireo mponina tsy hanary ny fako amin’ireny lakandrano ireny ho fanajana sy fahadiovana sy hisorohana ny fahatsentsenana izay isan’ny mahatonga ny fiakaran’ny rano rehefa vanim-potoanan’ny fahavaratra.
Fiaraha-miasan’ny Minisitera roa tonta sy ireo mpiara-miombon’antoka any an-toerana no nahafahana nanatanteraka ity hetsika fanadiovana ity.