Faritra Alaotra Mangoro | Distrika Amparafaravola EZAKA KOPIA FAOBE
Mitohy hatrany ny ezaka kopia faobe ho an’ireo olona feno taona izay mbola tsy manana izany tao amin’ny kaominina ambanivohitra Amboavory, Distrikan’Amparafaravola.
Vokatry ny fiaraha- miasa eo amin’ny Minisiteran’ny mponina, fiahiana ara-tsosialy ary fampivoarana ny vehivavy, ny Minisiteran’ny fitsarana ambaratonga voalohany sy ireo Ben’ny Tanàna tany an-toerana no nahafahana nanatanteraka ny hetsika.
Tonga maro noho izany ireo vahoaka ary nisaotra ny ezaka ary nirarian’izy ireo ny hitohizan’izany mba hananana sora-pahaterahana.