Faritra Alaotra Mangoro
Fandrindrana ny fiainam-pianakaviana – Fambolen-kazo

Tafapetraka eo anivon’ny Faritra Alaotra Mangoro ny vovonana hanentanana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.
Tafatsangana ihany koa ny fikambanan’ny vehivavy miavotse, ny fikambanan’ny lehilahy mandray andraikitra ary ny olon-kendry, fikambanan’ireo zokiolona.
Mpisehatra miisa zato no haparitaka manerana ny 5 Distrika ato anatin’ny Faritra Alaotra Mangoro.

Tao amin’ny Kaominina Andilanatoby no nanatanterahana ny fanesehana zezika sy fambolena zanakazo izay fandraisana anjaran’ny Ministeran’ny Mponina amin’ny alalan’ny Fitaleavam-paritry ny Mponina Alaotra Mangoro ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Nandritra izany no nanaovana fanentanana ho amin’ny fangatahana fiaraha-miasa amin’ny ezaka fanapariahana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana