Faritra AMORON’I MANIA| Distrika AMBATOFINANDRAHANA
Faritra AMORON’I MANIA| Distrika AMBATOFINANDRAHANA
FAMETRAHANA NY VATOFOTOTRY NY BIRAOM-PARITRY NY MPONINA
Tontosa ny sabotsy 12.02.2022 ny fametrahana ny vatofototry ny biraom-paritry ny Mponina tao amin’ny Distrikan’ Ambatofinandrahana.
Nanotrona ny Fitaleavam-paritry ny Mponina Amoron’i Mania sy nanome voninahitra izany ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ireo manam-pahefana avy ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania, ny teo anivon’ny Distrikan’ Ambatofinandrahana sy ny solontenan’ireo « plateforme » vao natsangana.
Ankasitrahana Ramatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny kaominina tamin’ny fanomezana ny tany nahafahana nanorina ity fotodrafitr’asa ity izay tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena, tanterahin’ny Ministeran’ny Mponina.