Faritra AMORON’I MANIA| Distrika AMBOSITRA: « FORUM DES JEUNES »
« TANORA MANDRAY AN-TANANA NY HOAVINY, ANTOKY NY FAMPANDROSOANA »
Fandraisana anjara mavitrika niarahan’ny Fitaleavam-paritry ny Mponina sy ireo Talem-paritra isan-tsokajiny miaraka amin’ireo fandaharan’asa nanao fanentanana sy nizara zay tolotra misy hahasoa ireo tanora.
Isan’ny lohahevitra novoizina ny hoe « Tagnora magnarina toekarena, fikambanana miavotsa, Aingna fampandrosoana ».
Nandritr’izany no nanaovana fanentanana mahakasika ny fandrindram-piterahana, ny miralenta ary ny ady amin’ny herisetra; nampahafantarana ihany koa ireo karazana fampiofanana misy ao amin’ny Ivotoerana fampiofanana(CPSE) izay sahanin’ny Ministeran’ny Mponina ao amin’ny faritra Amoron’i Mania.
Niisa 140 ireo tanora izay avy amin’ireo faritra maro tonga nandray anjara tamin’ity « forum des jeunes »ity.
Hisaorana ireo nikarakara sy niara- nisalahy tamin’ny Minisiteran’ny Mponina ary ireo vovonan’ny fikambanan’ny tanora tamin’ny faritra maro tonga nandray anjara.