Faritra Amoron’i Mania | Distrika Ambositra
Faritra Amoron’i Mania | Distrika Ambositra
FIZARANA VATSY TSINJO
Araka ny nampanantenain’ny Filoha Andry Rajoelina dia tsy misy hadino na distrika iray aza fa hisitraka ny Vatsy Tsinjo avokoa.
Ho an’ny Faritra Amoron’i Mania manokana dia olona tena sahirana sy rava trano nandritry ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai miisa 500 tao amin’ny kaominina Ambonivohitra Ambositra no nisitraka ny Vatsy Tsinjo ary mbola hitohy any amin’ny Distrikan’ i Fandriana ny fizarana.