Faritra AMORON’I MANIA FIZARANA VATSY TSINJO
Faritra AMORON’I MANIA
FIZARANA VATSY TSINJO
Mirindra sy milamina tsara ny fizarana ny vatsy tsinjo avy amin’ny Fitondram-panjakana.
Tokantrano miisa 500 tao amin’ny Distrikan’i Fandriana sy Manandrina no nisitraka izany.
Niara-nisalahy ny ekipan’ny DASP, ny Fitaleavam-paritry ny mponina Amoron’i Mania sy ireo komity vonjy voina any an-toerana tamin’ny fizarana ity Vatsy Tsinjo ity.
Nankasitraka ny Fitondram-panjakana ireo rehetra nahazo izany .
« Iray vatsy , iray Aina »