FARITRA AMORON’I MANIA | TOKANTRANO MIISA 6 000 ao FANDRIANA NO MISITRAKA NY ASA AVOTRA MIRINDRA
31.10.2022
Tafiditra ao anatin’ireo Distrika 79 misitraka ny fiahiana ara-tsosialy amin’ny alalan’ny Asa Avotra Mirindra ireo mponina ao Fandriana.
Ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia no nanomboka ny fizarana tao an-toerana izay nialohavan’ny tsatoka angady voalohany. Miisa 6 000 ireo tokatrana hisitraka tan-tsoroka ara-bola izay miendrika Asa Atakalo Vola mandritry ny 03 taona. Amin’ity andiany ity dia tokatrano mitaiza zokiolona sy olona manana fahasembanana miisa 1 200 no hisitraka ity tohana ara-bola ity.
Nandritra izany dia nanolotra lelavola ho an’ny fikambanana Viavy Miavotse ny Minisitra SOAFILIRA Princia ho fanohanana sy fampivoarana ny fikambanan’izy ireo.
Namaranana ny lanonana ny fitsidihana ny fampiratiana hataon’ireo vehivavy mpanao asa tanana sy mpamokatra vokatra avy ao Fandriana.
Tonga nanome voninahitra izany ireo manam-pahefana toy ny Loholona, ny Solombavambahoaka, ny Ben’ny tanàna ary ireo tomponandraikitra Sivily sy Miaramila