Faritra AMORON’I MANIA
Faritra AMORON’I MANIA
FAHASALAMANA MANANTONA VAHOAKA
Ny distrikan’ Ambositra, no nandray ny tolotra ara-pahasalamana voalohany tamin’ity rodobe ho an’ny fahasalamana ity.Nitarika ny hetsika ny Minisitry ny Fahasalamana sy ireo delegasiona niaraka taminy, notronin’ireo manam-pahefana maro tao an-toerana sivily sy miaramila.
Isan’ny nandray anjara mavitrika tamin’ny fanentanana ny olona amin’ny ady atao amin’ny herisetra sy ny fandraisana an-tanana ireo olona niharan’ny herisetra ny Minisiteran’ny Mponina sy ny BFP (Brigade Féminine de Proximité).