FARITRA ATSINANANA | Nankalazaina tao Toamasina ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana
FARITRA ATSINANANA | Nankalazaina tao Toamasina ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana
Feno 25 taona ny nankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana eto Madagasikara ka i Toamasina no nandray izany tamin’ny fomba ofisialy. Nisolo tena ny Ministre SOAFILIRA Princia tamin’ny fanamarihana izany ny Tale Jeneralin’ny Mponina ANDRIANTSIMILAO Ando Firaisantsoa. Nampahafantariny nandritry ny lahateniny ny hananganana ny « Politikam-pirenena ho fampiatiana sy fampaleovantena ny olona manana fahasembanana » ka tsy ho voahilika intsony izy ireo. Nambarany ihany koa fa efa andalam-pamitana ny toerana fandraisana an-tanana ireo olona manana fahasembanana ao Toamasina.
Ho fanamarihana an’ity andro ity dia nanolotra 480 fonosana sakafo ho an’ny olona manana fahasembanana ny Minisitry ny Mponina.
Naterina manoka ny anjara birikin’ireo olona manana fahasembanana ara-tsaina tao amin’ny Orchidée blanche sy Enfants de joie ary SEMATO.
Ireo olona manana fahasembanana kosa dia nangataka ny famerenana ny fandaharana « Toa anao koa izy » ao amin’ny TVM sy RNM.