FARITRA ANALAMANGA | ANARIVONY IREO TRABOINA
FARITRA ANALAMANGA | ANARIVONY IREO TRABOINA
Araky ny toromarika avy amin’ny Filoha Andry RAJOELINA dia tsy mandry andro tsy mandry alina ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta midina ifotony sy mikarakara ireo mponina rava trano vokatry ny orana nisesy tato anatin’ny andro vitsivitsy.
Nitarika azy ireo ny Praiminisitra NTSAY Christian miaraka amin’ny fiadidiana ny Repoblika izay tarihin’ny Talen’ny Kabinetra ary manohy ny asa ireo tomponandraikitra sivily sy miaramila.
Ny Minisiteran’ny Mponina izay tarihin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia no mikarakara ny sakafo mafana ara-pahasalamana ho an’ireo traboina hotronin’ny BNGRC sy ny Kaomina Antananarivo Renivohitra.
Manentana hatrany an’ireo mpiara-miombonantoka rehetra hifanome tanana ho fiahiana ny mpiara-belona.