Faritra ANALAMANGA | Asa fanentanana ireo tsy manan-kialofana
Faritra ANALAMANGA | Asa fanentanana ireo tsy manan-kialofana
Ho tohin’ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia nanatanteraka asa fanadiovana teny Anosibe hatreny Anosy ny mpiasa teto anivon’ny Minisiteran’ny mponina.
Nandritra izany no nanentanana ireo tsy manan-kialofana rehetra izay hita teny an-toerana mba hanantona ny Akany fialofana eny Isotry, ivotoerana izay tantanan’ny Minisitera, afaka mandray olona sahirana tsy manan-kialofana eto Antananarivo Renivohitra.