Faritra ANALAMANGA| Distrika AMBOHIDRATRIMO: ZOMA FIFANAMPIANA
Fianakaviana tena marefo ara-pivelomana miisa 200 no nisitraka ny fanampiana avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina tao amin’ny Kaominina Ambohitrimanjaka.
Tafiditra anatin’ny hetsika Zoma Fifanampiana izay notarihin’ ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy ary notronin’ny Solombavam-bahoaka voafidy teo an-toerana sy ireo olo-manan-kaja maro sivily sy miaramila.
Fitaovan-dakozia, lamba firakotra, vary, voamaina, menaka ary fitaovana ampiasaina amin’ny andavanandro no natolotra ireto fianakaviana sahirana ireto.Nanome tanana tamin’ny fanatanterahana ity hetsika ity ny ONG Samaritan’s Purse.