FARITRA ANALAMANGA | FANKALAZANA NY FAHA 50 TAONAN’NY FANAMBARANA MOMBA NY ZON’OLOMBELONA MANANA FAHASEMBANANA
FARITRA ANALAMANGA | FANKALAZANA NY FAHA 50 TAONAN’NY FANAMBARANA MOMBA NY ZON’OLOMBELONA MANANA FAHASEMBANANA
Nankalazaina ny 20 desambra 2021 ny fanambarana momba ny zon’ny olombelona manana fahasembanana ara-tsaina sy ny andro maneran-tany ho an’ny firaisankinan’olombelona.
Nisongadina nandritra izany ny fandraisana an-tanana azy ireo eo anivon’ny fiaraha-monina amin’ny alalan’ny fanomezana zo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana. Tsy maintsy arovana ny olona manana fahasembanana amin’ny alalan’ny fametrahana lalàna sy paik’ady manameloka ny endrika fanilihana azy ireo.
Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, notronin’ireo Masoivoho vahiny mpiantsehatra amin’ny fiarovana ny zon’ny olona manana fahasembanana ara-tsaina.