FARITRA ANALAMANGA HARATON’AINA AN-TANÀN-DEHIBE MITSIDIKA IREO MPISITRAKA NY FILOHA LEFITRY NY BANKY IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FARITRA AFRIKA ATSINANANA
05.12.2022
Tonga nitsidika ireo tokatrano mpisitraka ny fandaharan’asa Milofo izay Haraton’Aina an-tanàn-dehibe ireo tomponandraikitra avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ka nitarika azy ireo ny filoha lefitra amin’ny faritra Afrika Atsinanana.
Ireo tokatrano tena marefo an-tanàn-dehibe 3 eto Madagasikara dia Antananarivo sy Toamasina ary Fianarantsoa no misitraka ny fandaharan’asa MILOFO.
Ny « MILOFO » dia ao anatin’ny tetik’asam-panjakana izay arindran’ny Minisiteran’ny Mponina, ny Banky iraisam-pirenena no mpamatsy vola ary ny FID no manatanteraka izany eny ifotony.
Nidina ifotony, nijery sy nihaino ireo mpisitraka tao amin’ny Fokontany III J sy III L Soanierana, Boriboritany faha-4 ny Filoha lefitry ny Banky iraisam-pirenena aty Afrika. Nandritra izany no nampisehoan’ireo mpisitraka ny vokatry ny fahaiza-manaony nandritry ny nisitrahany ity fandaharan’asa ity.
Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-tSosialy RIVOMANANA Ghisbert.
Tonga nanotrona teny an-toerana ihany koa ny Ben’ny tanàna Antananarivo Renivohitra.