FARITRA ANALAMANGA | IRAY VOLAN’NY ANKIZY : ANDRO FIALAM-BOLY SY FANENTANANA HO AN’NY ANKIZY
03.06.2022
FARITRA ANALAMANGA | IRAY VOLAN’NY ANKIZY : ANDRO FIALAM-BOLY SY FANENTANANA HO AN’NY ANKIZY
Hetsika « andro fialamboly » teo amin’ny zaridaina Ambohijatovo izay notanterahin’ny Ministeran’ny Mponina tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy.
Miisa 200 ireo ankizy avy amin’ireo akany 5 eto amin’ny faritra Analamanga nandray anjara tamin’izany.
Nisy ireo fanentanana mahakasika ny zon’ny ankizy, hira sy dihy nentina nampifaly azy ireo, fizarana kilalao sy bisky, fizahana maso maimaim-poana sy fizarana solomaso ho an’ireo ankizy manana olana amin’ny fahitana ary fiaraha-misakafo.
Nandritry ny lahateniny no nanamafisan’ny Tale Jeneralin’ny Mponina izay nisolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia ny tokony hanajana ny zon’ny ankizy sy nanentanany ihany koa ireo ankizy mba ho sahy hiteny rehefa misy tranga manohitra ny zon’izy ireo eo amin’ny fiaraha-monina misy azy .
Nisy ihany koa ny fandraisam-pitenenana nataon’ny solontenan’ireo ankizy, nitondrany fisaorana ny Fitondram-panjakana amin’ny fanaovana hetsika fampihaonana azy ireo, izay sehatra iray nahafahany mifanakalo hevitra ary ihany koa nampita ny fomba fijeriny mahakasika ny tontolon’ny fampanjarina ny zony, ny fivelarany ary ny fiarovana azy ireo manoloana ny herisetra.