FARITRA ANALAMANGA | KALY TSINJO
FARITRA ANALAMANGA | KALY TSINJO
Tonga nitsidika ireo toeram-pisakafoanana natao ho an’ny fianakaviana marefo ara-pivelomana ao anatin’ny boriboritany enina eto Antananarivo renivohitra ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo mpiara-miasa aminy androany 25 desambra 2021.
Nandritra izany dia nitondra mofo mamy avy amin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izy ho mariky ny fifankatiavana amin’izao fankalazana ny fetin’ny noely izao.
Ho aparitaka manerana ny faritra 23 izao hetsika izao araky ny toromarikan’ny Filoha Andry RAJOELINA.
NY FITIAVANA NO LEHIBE INDRINDRA.