Faritra ANALAMANGA MANAMAFY NY FAHAIZA-MANAO MAHAKASIKA NY MIRALENTA , NY FANDRAISANA AN-TANANA NY OLONA NIHARAN’NY HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHA LAHY SY MAHA VAVY NY MPIANTSEHATRA ARA-TSOSIALY AMIN’NY FARITRA ANALAMANGA
Nisitraka fiofanana manokana mahakasika ny miralenta ,ady atao amin’ny herisetra , ny fandraisana antanana ireo niharan’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny mahavavy ny mpiantsehatra ara-tsosialy eny anivon’ny ivo toerana fihainoana sy fandraisana an-tanana ireo olona niharan’ny herisetra eto amin’ny faritra ANALAMANGA ( Antananarivo, Bongatsara,Manjakandriana).
Maharitra 3 andro ny fiofanana miaraka amin’ny vondrona eoropeanina sy ny minisiteran’ny mponina.
Nitarika ny fotoana ny Tale Jeneralin’ny Fampiovarana ny Vehivavy RABETALIANA Rova.