FARITRA ANALAMANGA | NIJERY IREO TRABOINA TENY AMIN’NY TOERANA FANDRAISANA AZY IREO NY MINISITRY NY MPONINA
FARITRA ANALAMANGA | NIJERY IREO TRABOINA TENY AMIN’NY TOERANA FANDRAISANA AZY IREO NY MINISITRY NY MPONINA
Vao maraina dia nitsidika ny toeram-pandraisana ireo traboina ao Ankorondrano ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo mpiara miasa aminy. Nizara sakafo maraina ihany koa izy ireo. Notohizana tamin’ny fitetezana ireo toeram-pandraisana traboina amin’ny fokontany Andraharo, Andohatapenaka, Ampefiloha (ANS) izany ka sady nanolotra vilany no nihaino ny fitarainan’ireo mponina traboina.
Araky ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA dia ny Minisiteran’ny Mponina sy ny BNGRC no mikarakara ny sakafo maraina sy atoandro ary ny hariva ho an’ireo traboina ireo mandrapialany ao amin’ny toerana fandraisana azy.