FARITRA ANALAMANGA | ZOMA FIFANAMPIANA
FARITRA ANALAMANGA | ZOMA FIFANAMPIANA
Tao amin’ny ivotoerana Mitsinjo (SEBA) Isotry no nanatanterahana ny hetsika Zoma Fifanampiana ny 10 desambra 2021. Fianakaviana sahirana miisa 152 no nisitraka vary sy soja.
Ny Zoma Fifanampiana no fotoana natokan’ny Minisiteran’ny Mponina izay tarihin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia ifandraisana mivantana amin’ny Mponina amin’ny alalan’ny fanolorana tohana isankarazany ho fanohanana ireo tokatrano tena sahirana.