Faritra ANALANJIROFO | Distrika FENOARIVO ATSINANANA FIZARANA VATSY TSINJO
Mbola mitohy ny fizarana ny Vatsy Tsinjo araka ny fampanantenana nataon’ny Filoha Andry RAJOELINA.
Tokantrano miisa 91 traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Dimaco tao amin’ny Kaominina Antsiatsiaka no nisitraka ny fanampiana avy tamin’ny Fitondram-panjakana.
Tonga nanolotra izany tany an-toerana ireo tompon’andraikim- panjakana notarihin’ny Governoran’ny Faritra Analanjirofo niaraka tamin’ireo manam-pahefana any an-toerana.
Ny fitaleavam-paritry ny mponina Analanjirofo niaraka tamin’ny kaominina Antsiatsiaka sy ireo Sefo Fokontany kosa no nandrindra ny fitsinjarana ireo vatsy tsinjo ireo teny an-toerana.
Velom-pisaorana ny fitondram-panjakana noho izany ireo vahoaka no sady faly fa mahatsiaro manana mpiahy.