Faritra Analanjirofo| Distrika Vavatenina, Tetikasa HARATON’AINA| VATSIN’ ANKOHONANA
Faritra Analanjirofo| Distrika Vavatenina
Tetikasa HARATON’AINA| VATSIN’ ANKOHONANA
Tokatrano miisa 8000 ao amin’ny distrikan’i Vavatenina no hisitraka ny tetikasa Haraton’aina- Vatsin’Ankohonana.
Ny zoma 15 avril lasa teo no natomboka ara-pomba ofisialy ny fizarana ity tohana ara- bola ity ka miisa 1.180 ireo tokantrano tao amin’ny kaominina Vavatenina no nisantarana izany.
Isan’ireo tanjona amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity ny hanamaivanana ny fahasahiran’ ireo tokantrano amin’ny fampianarana ny zanany, ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Ankoatry ny tohana ara-bola izay sitrahana isam-pianakaviana isaky ny roa volana mandritry ny telo taona dia misy ihany koa ireo fampiofanana sy fampianarana ireo mpisitraka mba hananan’izy ireo fahaleovantena ara-bola sy ara-toekarena.
Tonga nanome voninahitra nisolo tena ny Minisitry ny mponina SOAFILIRA Princia tany an-toerana ny Talen’ny kabinetran’ ny Ministeran’ny Mponina sy ny Governora ary ireo Olom-panjakana maro tao amin’ny distrikan’i Vavatenina.