FARITRA ANALANJIROFO | FAMETRAHANA VATO FOTOTRY NY TRANOM-BEHIVAVY FENOARIVO ATSINANANA
FARITRA ANALANJIROFO | FAMETRAHANA VATO FOTOTRY NY TRANOM-BEHIVAVY FENOARIVO ATSINANANA
Notanterahina tao Fenoarivo Atsinanana ny fametrahana ny vato fototry ny Tranom-behivavy na ny « Maison des femmes » hoan’ny faritra Analanjirofo. Trano lehibe ahitana efitra roa izay azon’ireo vehivavy ampiasaina ho toeram-pivoriana sy fiofanana.
Ity foto-drafitr’asa ity dia isan’ny fanatanterahana ny velirano fahavalon’ny Filohan’ny Repoblika, mahakasika ny fampivoarana ny vehivavy ka ny Minisiteran’ny Mponina no manatanteraka azy eny anivon’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy.
Tonga nanome voninahitra nisolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia sady nitsodrano ny asa teny an-toerana ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Mponina RAMANANIRIANA Yan Wilfried notronon’ireo manam-pahefana tao an-toerana.
Aharitra 3 volana eo ny asa fanorenana. Velom-pisaorana ny fitondram-panjakana ireo solontenam-behivavy izay tonga nanatrika ity fotoana ity.