FARITRA ANALANJIROFO | FIOMANANA AMIN’NY FIAVIAN’NY RIVO-DOZA
FARITRA ANALANJIROFO |
FIOMANANA AMIN’NY FIAVIAN’NY RIVO-DOZA
« Izay tsara fiomanana, tsy ho tampohin’ny loza ».
Nanome toromarika ireo sefo fokontany ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Fenoarivo Atsinanana ny Fitaleavam-paritry ny Mponina Analanjirofo sy ny Ben’ny Tanàna ao an-toerana ny handraisana fepetra mialoha mahakasika ny fiavian’ny andro ratsy.Notolorana finday ihany koa izy ireo hahafahany mampita vaovao haingana ara-potoana manaraka ny fiovan’ny toetr’andro.