FARITRA ANALANJIROFO | HAIN-TRANO TAO SOANIERANA IVONGO
FARITRA ANALANJIROFO | HAIN-TRANO TAO SOANIERANA IVONGO
Nidina ifotony nijery ny zava-misy ary nitondra tolo-tanana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia miaraka amin’ny Tale Jeneralin’ny BNGRC, ny Solombavambahoaka voafidy ao an-toerana sy ny Governoran’ny Faritra Analanjirofo ary ny Ben’ny tanàna manoloana ny hain-trano nitranga tao Soanierana Ivongo ny herinandro lasa teo. Ireo fokonolona no ampanaovina Asa Takalo Sakafo na VCT (Vivres Contre Travail) ho fanadiovana ny toerana niaran-doza sy ho fanohanana azy ireo. Sandaina ho 3 andro ny asa fanadiovana ka aorian’izay no manomboka ny fanorenana ao anatin’ny fanajana ny fenitra fandaminana ny tanan-dehibe ireo niaram-boina. Vary, voa maina sy menaka ary savony no sitrahin’izy ireo.
Teo ihany koa no nitondran’ny Minisitra fankasitrahana avy amin’ny fitondrampanjakana ho an’ireo fokonolona miandahy miambavy nanampy tamin’ny fampiakarana an-tanety ireo razana tra-doza tao amin’ny fari-dranomasina Soanierana Ivongo.