FARITRA ANALANJIROFO || ZOMA FIFANAMPIANA
FARITRA ANALANJIROFO
ZOMA FIFANAMPIANA
Nozaraina fitaovana entina miasa mba hanatsarana ny fitadiavambolany ireo fikambanam-behivavy mpiompy, mpandrary, mpanjaitra, mpivarotra trondro ary mpivarotra hanimasaka ao Fenerivo Atsinana. Izy ireo dia nahavita hatramin’ny farany ny fiofananana manokana momba ireo sokajin’asa misy azy nandritra ny andro maromaro.
Tanteraka izao nohon’ny fiaraha-miasan’ny Fitalevam-paritry ny Mponina Analanjirofo sy ny ONG Voahary Salama ary ny ONG Mateza Toamasina izay nisitraka famatsiambola avy amin’ny OIF.
Ny ZOMA FIFANAMPIANA dia hetsika, tarihin’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, izay tanterahina isaky ny zoma ka natao hanampiana ny mpiara-belona fa indrindra ireo olona marefo ara-pivelomana.