FARITRA ANDROY | DISTRIKA AMBOVOMBE MITOHY NY FIARAHA-MIASA EFA NISY TEO AMIN’NY MINISITERAN’NY MPONINA SY NY ONG DIRECT’AID
Noho ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny vehivavy miaraka amin’ny ONG Direct’Aid dia fokontany 12 tao anatin’ny distrikan’Ambovombe no nisitraka tohana ara-tsakafo toy ny vary, menaka, siramamy, ronono ary voamaina sy omby sy fitsaboana maimaimpoana.
Nisy ihany koa fanoloana fanafody ny hôpital sy csb2 tamina commune ambanivohitra
Natao izao mba hoentina amalifalina sy hanampiana azy ireo ao anatin’ny fetin’ny faran’ny taona.
Miisa 2 500 ireo tokantrano nisitraka izany ka ireo zokiolona, olona manana fahasembanana sy ireo vehivavy bevohoka no nisitraka izany.
Ny fikambanan’ireo Viavy Miavotse sy ny Lehilahy mandray andraikitra tany an-toerana no nanampy sy nandray anjara mavitrika tamin’ny fanatontosana ity hetsika ity niaraka tamin’ny faritra Androy.
Nanotrona sy nanome tanana tamin’ny fikarakarana ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana sy ny Governoran’ny faritra Androy.
Ny Minisitra SOAFILIRA Princia dia mirary hatrany faran’ny taona sy taom-baovao feno hafaliana ho an’ny Mponina manarena ny Nosy.