FARITRA ANDROY HO FIATREHANA NY HAITANY, TOKATRANO MIISA 2.000 NO MISITRAKA TOHANA
Mbola mitohy hatrany ny fitsinjovana ireo ankohonana marefo vokatry ny haintany any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy.
Tokantrano miisa 2.000 ao amin’ny kaominina Ambovombe no misitraka izany ka lelavola 100.000ariary sy vary no nozaraina tamin’izy ireo.
Hitohy hatramin’ny volana May ity tohana ity izay vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny SAF FJKM sy ny Ministeran’ny Mponina.