Faritra ANOSY | Distrika Amboasary Tetik’asa ZARA MIRA
Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetik’asa Zara Mira any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy dia nidina ifotony ireo iraka avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy; nijery sy nanara-maso ny fandoavam-bola voalohany ho an’ireo mpisitraka miisa 8.311 tao amin’ny kaominina Ifotaka, distrikan’Amboasary.
Ity tetik’asa ity dia tosika ara-bola vatsian’ny UNICEF, omena ireo ankizy latsaky ny 15 taona, ireo vehivavy bevohoka ary ireo olona manana fahasembanana ka ny Minisiteran’ny Mponina no mandrindra ary ny FID no manatanteraka izany eny ifotony.
Tanjona amin’ity tetik’asa ity ny hanohanana ireo tokantrano mba ahafahan’izy ireo manatsara ny fahasalaman’ny zanany, hanampiana y hanamaivana ireo endrika fanilikilihana rehetra an’ireo olona manana fahasembanana ary hampiroboroboana sy hanomezana lanja ny vehivavy.