FARITRA ANOSY | DISTRIKA AMBOASARY TOKATRANO MAREFO MIISA 2 000 AO BEHARA NO MISITRAKA NY TOSIKE VONJY AIGNE
Miisa 2000 ireo tokantrano misitraka ny Tosike Vonjy Aigne ao Behara, distrikan’Amboasary, Faritra Anosy. Tombony ho azy ireo ny fahazoany fiofanana maro isankarazany entiny mampivoatra ny fiainany mandritra ny fotoan’ny haitany any atsimon’ny Nosy.
Nanomboka ny fizarana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, notronin’ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Distrikan’Ampanihy sy ireo manam-pahefana sivily sy miaramila.
Ho fanohanana ireo fikambanam-behivavy amin’ny fampandehanana ny fitantanana dia nanolotra lelavola ho an’ireo Viavy Miavotse ihany koa ny Minisitry ny Mponina. Nampatsiahy ihany koa izy ny amin’ny maha zava-dehibe ny fandrindram-piterahana sy ny fanabehazana ny ankizy.