FARITRA ANOSY SY ANDROY | FAMPIOFANANA SY FAMPAHAFANTARANA NY VBG
FARITRA ANOSY SY ANDROY | FAMPIOFANANA SY FAMPAHAFANTARANA NY VBG
Lehilahy miisa 52 avy amin’ny Faritra Anosy sy Androy no nisitraka fiofanana niompana amin’ny lohahevitra « Fiheverana miabo momban’ny lehilahy » na « Masculinité positive ». Tanjona ny ahatonga ireo lehilahy hanohana ny ankohonany, hiaro ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy ary mba ho fitaratra eny anivon’ny fiaraha-monina misy azy ireo. Aorian’ny fampiofanana dia hizara ny traikefa azony amin’ireo namany any amin’ny faritra misy azy avy ireto solontenan-dehilahy ireto.
Fiaraha-miasa teo amin’ny Fitalevam-paritry ny Minisiteran’ny mponina Androy sy Anosy ka ny UNICEF no nanome ny tantsoroka nahafahana nanatanteraka ny fampiofanana.