FARITRA ANOSY TETIK’ASA ZARA MIRA
04.06.2022
FARITRA ANOSY
TETIK’ASA ZARA MIRA
Ankizy latsaky ny 15 taona sy olona manana fahasembanana ary vehivavy bevohoka miisa 17 000 no misitraka ny tetik’asa « ZARA MIRA » ao amin’ny kaominina Ifotaka, Distrikan’Amboasary Atsimo.
Ny Zara Mira dia tetik’asam-panjakana arindran’ny Minisiteran’ny Mponina, vatsian’ny UNICEF vola ary tanterahin’ny FID eny ifotony.
Tanjon’ny tetik’asa ny hampijoro ireo ankohonanana tena marefo amin’ny alalan’ny fanohanana ny fanabeazana ny ankizy sy ny fampiatina ireo olona manana fahasembanana mba ahatonga azy ireo ho olom-banona.
Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia notronin’ireo manam-pahefana maro tao an-toerana ka anisan’ny nanome voninahitra izany ny Governoran’ny Faritra Anosy.
Nandritra izany ihany koa no nanaovana ny hetsika famaranana ny Iray Volan’ny Fiahiana ara-tsosialy izay nomarihina nandritry ny volana May.
Toy ny fanaony isaky ny midina ifotony dia nanolotra tohana ara-bola ho fankaherezana ireo fikambanana Viavy Miavotse tany an-toerana ny Minisitry ny Mponina. Lelavola hoentin’izy ireo hanatsarany ny tontolon’ny fihariany.