FARITRA ANOSY
Nanotrona ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra NTSAY Christian nandritra ny fanombohana ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-12 sy faha-13 tao Fort-Dauphin, ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia miaraka amin’ireo mpikambana maro ao amin’ny governemanta. Olom-boafidy sy tomponandraikitra sivily sy miaramila no nanotrona azy ireo niaraka tamin’ireo vahoaka ao an-toerana izay ravo noho ny fanombohan’ny asa.